Matthew 28

1Ary tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nanomboka mangiran-dratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nandeha nijery ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa. 2Indro, nisy horohoron-tany be, fa ny anjelin’ny Tompo no nidina avy any an-danitra, tonga ary nanakodia ny vato, ka nipetraka teo ambonin’izany.

3Ny endriny dia toy ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny oram-panala. 4Raiki-tahotra ireo mpiambina ka nanjary tahaka ny lehilahy maty.

5Niresaka tamin’ireo vehivavy ilay anjely ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra, fantatro fa mitady an’i Jesosy ianareo, ilay nofantsihina tamin’ny hazofijaliana. 6Tsy ato Izy, fa efa nitsangana, araka ny efa nolazainy. Avia jereo ny toerana izay nandrian’ny Tompo. 7Mandehana faingana ary teneno ireo mpianany hoe: ‘Nitsangana tamin’ny maty Izy. Indro, efa nandeha nialoha anareo any Galilea Izy. Any no hahitanareo Azy.’ Indro, efa voalazako taminareo.”

8Nandao haingana ny fasana tamin-tahotra sy tamin’ny hafaliana lehibe ireo vehivavy, ary nihazakazaka mba hiteny ireo mpianany. 9Indro, nihaona tamin’izy ireo Jesosy ary niteny hoe: “Arahaba!” Nanatona ireo vehivavy, nihazona ny tongony ary nidera Azy. 10Ary avy eo Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra. Mandehana miteny amin’ireo rahalahiko mba hiala ka hihazo an’i Galilia. Any no hahitan’izy ireo Ahy.‘’

11Ary raha mbola iny nandeha iny ireo vehivavy, indro, ny sasany tamin’ireo mpiambina nankany amin’ny tanàn-dehibe ary niteny tamin’ny lohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra izay niseho. 12Rehefa nihaona tamin’ireo loholona ny mpisorona ary niresaka momban’ny olana tamin’izy ireo, dia nanome vola be an’ireo miaramila izy ireo 13ary niteny azy ireo hoe: ‘’Lazao amin’ireo hafa hoe: ‘Tonga tamin’ny andro alina ireo mpianatr’i Jesosy ary nangalatra ny vatany raha mbola natory izahay.’

14Raha tonga any amin’ny governora izany tatitra izany, dia handresy lahatra azy isika ary hanala ny ahiahy aminareo.‘’ 15Ary dia nalain’ny miaramila ny vola ary nanao araka izay efa nolazaina azy izy ireo. Ary izany tatitra izany dia nieli-patrana teo amin’ireo Jiosy ary mitohy mandrak’ankehitriny aza.

16Fa nankany Galilea ireo mpianatra iraika ambin’ny folo, tany amin’ny tendrombohitra izay efa natoron’i Jesosy azy ireo. 17Rehefa nahita Azy izy ireo, dia nidera azy, fa ny sasany kosa niahiahy.

18Nanatona azy ireo Jesosy ka niresaka tamin’izy ireo ary niteny hoe: ‘’Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. 19Koa mandehana ary ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra. Ataovy batisa izy ireo amin’ny anaran’ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina.

20Ampianaro izy ireo hankatoa ny zavatra rehetra izay nandidiako anareo. Indro, miaraka aminareo foana Aho, eny fa na hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao aza.‘’

Copyright information for PltULB